Politique

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

 Misaotra anareo izay tonga nanotrona teto sy ireo rehetra izay mahatsiaro izao fotoana izao aho fa, indrindra, misaotra an’Andriamanitra satria afaka miaraka aminareo eto fa tsy any ivelany intsony. Mahalala ny 92%n’ny manjo ny Malagasy aho, hoy hatrany ny tenany, ary mahay mamoaka azy tao rehefa miasa miaraka isika. Rehefa nandinika lalina sy nijery ny zava-misy aho dia hanao izay azoko atao ho an’ireto vady aman-janako ireo fa hanao avo 2 heny ho an’ny vahoaka malagasy kosa. Haiko tsara ireo vahiny mpiara-miasa amintsika ireo ary hampiasa ny fahaizako koa aho, hoy ny nambarany. Hitondra fanantenana ho an’ny malagasy aho ary hanao avo 10 heny tamin’ny ezaka efa vitako hatramin’izay.

Hanova fihetsika

Hanova ny fihetsiko aho, hihaino araka izay azoko atao, handray fanakianana ihany koa, vonona handefitra aho, vonona hiova sainyy tsy hiova kosa aho fa dia hihenjana amin’ireo mieritreritra azy fa tsy matimanota eto amin’ny firenena, hoy i Marc Ravalomanana. Raha nisy tsy nety natao teo aloha dia izay no maha olombelona, tsy ho tanteraka 100%, hoy hatrany ity filoha teo aloha ity,  aleo mifampiresaka sy mifanazava dia mifandamina, hoy izy na dia avy niady aza. Ny fahamarinana sy fahasahiana mijoro tsy an-tahotra no takian’ireo firenen-dehibe maniry hiara-kiasa amintsika ary tsy sangy intsony ity fa efa mijaly ny vahoaka malagasy. Samy tia tanindrazana daholo fa mila mpitarika filamatra kosa nefa. Nofintininy ny filoha moa fa maika hifidy programa ny malagasy ary tsy maintsy mamorona asa amin’ny alalan’ny fanamboaran-dalana. Mila hamafisina ihany koa, hoy izy, ny lafiny fambolena sy fiompiana, indrindra, ny tsy fandriampahalemana.Notsindriany mafy fa  Tsy azo atao ambanin-javatra ny fampianarana.Nampatsiahivin’i Dada omaly ihany koa fa goavana amin’ny asa rehetra atao ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na ny “Discipline”; izany no nampiroborobo ny Tiko,  hoy izy. Anisan’ireo mpanao politika tazana teny Tanjombato moa omaly ry Rajemison Rakotomaharo, Mahafaritsy Samuel, Tabera Randriamanantsoa, Pastera Edouard Tsarahame sy ny maro hafa. Tsikaritra omaly fa maro ireo olon’ny TIM nambara fa nisintaka no efa niverina ary nilaza fa vonona hiara-dia amin’i Marc Ravalomanana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT