Henjana ny fehin-kevitra navoakan’ny Parlemantera Eoropeanina momba an’i Madagasikara, izay toa vely kanonta goavana miantefa amin’ny fanjakana HVM.
Miisa 15 ireo zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Anisany ny fitaterana ny ahiahin’ny mpanao gazety momba an’ilay lalàna mifehy ny serasera, ny zava-misy amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona araka ny tatitry ny Amnesty International, toy ny raharaha Antsakabary, ny fanagadrana mpiaro ny tontolo iainana. Ny valanaretina pesta, izay efa misy isan-taona eto Madagasikara, saingy tena mafy ny tamin’ity 2018 ity. Mihoatra ny 1800 no narary ary 127 no maty. Ny faharatsian’ny rafi-pitsaboana misy eto Madagasikara, vokatry ny krizy no nahatonga ny pesta nihanaka be toa io. Mbola tena mampanahy ny mety ho fihanaky ny pesta manerana ny nosy, hoy ny OMS, ny ahiahy goavana momba ny fifidianana…. Manoloana izany, dia fehin-kevitra amina teboka 12 be izao no navoakan’ny Parlemanta Eoropeanina, izay toa miendrika didy fampitandremana ny mpitondra na tsy novantanina aza. Manantena ny Eoropeanina fa hilamina ny fifidianana amin’ny 2018. Fifampiresahana ihany no vahaolana, miantso ny sehatra iraisam-pirenena ny Parlemanta Eoropeanina hametraka ny fepetra rehetra mba tena ho fifidianana malalaka sy manara-dalàna tokoa ny amin’ny 2018. Miantso amin’ny hanaovana fanadihadiana ataona rafitra mahaleotena momba ny fandorana tanàna tany Antsakabary, ary miantso ny fanjakana Malagasy ny mba hanao fanadihadiana tsy mitanila ka hanasaziana ireo meloka sy hanomezana fanonerana ireo niharam-boina. Miantso ny fanjakana Malagasy mba hanaja ny zavatra nekeny momba ny fiarovana ny harena voajanahary ary hanamafy ny fepetra raisina mifandraika amin’izany. Manameloka ny fisamborana mpanao gazety sy mpiaro ny tontolo iainana. Manameloka ny fandrahonana azy ireo ihany koa. Miantso ny fanjakana mba hanafoana ireo andininy sasantsasany manohintohina ny fahalalahana ao anatin’ny lalàna mifehy ny serasera. Avelao hanao ny asany momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy ny fitsarana, tsy tokony hidiran’ny politika io raharaha io. Miantso ny mpitondra Malagasy hampitombo ny ezaka amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanafoanana ny tsimatimanota. Velon’ahiahy amin’ireo milaza ho vahiny sasany tonga eto Madagasikara mitory ny finoana Silamo amin’ny ankizy Malagasy ary manana eritreritra hamadika azy ireo ho silamo mahery fihetsika ihany koa ny Eoropeanina. Mety hambaran’ny fanjakana HVM fa manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy tokony hotsabahin’ny avy any ivelany. Ny tsy azo adinoina anefa, dia mbola tompon’ny teny farany ny sehatra iraisam-pirenena satria na ny vola hanaovana ny fifidianana aza, ohatra, dia hitalahoana any aminy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.