Politique

Fanambaran’i Henri Rabary-Njaka Tsy tongatonga ho azy fa ao raha !


  • Talata 06 Martsa 2018

Tafidi-kizo indray ny fanjakana HVM taorian’ny nilazan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka tamin’ny fahitalavitra Frantsay TV5 Monde fa ny 24 novambra izao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ary ny 24 desambra kosa ny fihodinana faharoa.

 

Efa voarain’ny rehetra iny daty iny na nikorapaka nandiso izany tamin’ny fomba rehetra aza ny fanjakana. Mbola mampiseho hatrany ny tsy fisian’ny lalao madio ny tsy fahasahian’ny fanjakana mamoaka ny daty mazava, ka dia niandronan’ny rihitra ny lehiben’ny diplomasia, fa maika tsy faingana. Hohenjehina ho mpanely vaovao tsy marina sy mpanakorontana fiainam-pirenena ary ve izany izao Rabary Njaka sa havela amin’izao ? Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hambara sy hampahafantarina ny rehetra ihany io datim-pifidianana io. Ny mahagaga dia tsy sahin’ny mpitondra fanjakana ny manao lalao madio. Mbola eo am-panomanana ny fomba rehetra hoenti-mandresy, kanefa tsy manana fahatokisana hatramin’izao fa hahomby tokoa izany, ka dia ny miziriziry eo aloha ny farahevitra. Midika zavatra maro ihany koa iny fanambaran’ny minisitra iny ary mety tsy ho olona mamo sanatria no niteny fa olom-pirenena aloha, vao tompon’andraikitra ambony. Tsy tongatonga ho azy ireny, ary toa mitarika ny saina hieritreritra sy hametra-panontaniana hoe iza no tao ambadika sy mety ho naniraka azy ? Ny fanjakana Frantsay ve ? Sa kosa mpanao politika eto an-tanindrazana mety ho tsy mitovy hevitra amin’ny HVM ? Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Jean-Yves Le Drian, izay avy minisitry ny fiarovana tamin’ny fitondran’ny filoha Hollande ny tenany tamin’ny diany tany Frantsa. Raha ny lojikan’ny politika ihany koa, indrindra fa eto amintsika, dia tsy voatery ho mpinamana mandrakizay ny mpiara-dia na ho mpifahavalo mandrakizay ny tsy mitovy hevitra. Efa samy mitady ny lalan-kivoahany rahateo ny ekipa amin’izao raha sanatria ka ho rendrika ny sambo HVM. Ao raha !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT