Politique

Fanambarana navoakan’Atoa Fransman farany Teny nifandraika tamin’ny voalazanay Escopol hoy i Hery Rakotobe


  • Zoma 27 Janoary 2012

Ny alatsinainy 23 janoary teo izahay no nandefa taratasy any amin’ny TROIKA mirakitra soson-kevitra hivoahana amin’ity krizy lavareny ity, hoy Atoa Hery Rakotobe avy amin’ny vondrona Escopol, ary nambaranay ho fantatry ny be sy ny maro tamin’ny fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety ny talata izany.

Rehefa namoaka ny heviny taorian’izay avy any Afrika Atsimo Atoa Fransman dia tsapa (tsy midoka tena izahay) fa ny ankabezan’izany dia mitovy tamin’ny fanambarana nataonay avokoa. Voalazanay tamin’izany, hoy izy, fa rehefa misy fanapahakevitra politka lehibe ho raisina eto amin’ny firenena dia tokony amin’ny alalan’ny fifampidinihana no handraisana ny fanapahankevitra (solution négociée et concertée entre les acteurs politiques parties prenantes de la feuille de route). Izay mantsy no antony nanasoavana ny tondrozotra mba hialana amin’ny fanapahan-kevitra samirery.

Ny faharoa mikasika ny fiverenan’ireo sesitany politika sy ny famoahana ny gadra politika, dia tsy mitsipaka izany ny Escopol, fa efa misy ny “comité ad-hoc” mandinika ny raharaha fa tokony hatevenina io tsy hijanona eo anivon’ny governemanta fotsiny fa mba hitarina amin’ireo nanao Sonia ny tondrozotra. Samy fanapahan-kevitra nandeha irery ny Notam sy ny fiakaran’ny filoha teo aloha anaty aeroplanina tonga dia niverina an-tanindrazana, ho izy, fa raha niaraha-nidinika ireny mety nahitana vahaolana niaraka. Dia noresahanay ny tokony hampitsaharana ny fampiasan-kery rehetra fa tsy mety ny fampifandrafesana ny samy Malagasy noho ny fiarovana ny tombontsoa politika. Aoka izany ny rà latsaka, ny martiry fa ampy izay . Ary ny tena maika tena maika farany, hoy Atoa Hery Rakotobe, tokony hatsangana toy ny CENI ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena fa tsy afaka miatriaka fifidianana isika raha tsy vita ny fifamelan-keloka, ny “aministie”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT