Politique

Fanambaran’ny vondrona 6 Mailo ny ao amin’ny Magro


  • Zoma 26 Aogositra 2011


 “Manomboka ny fampihavanam-pirenena ary ny mafy vava indrindra no nitondra teny”, hoy i Manoela tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Aiza amin’izany ireo teo akaikin’i Dada mampadika ? hoy izy. “Miteny ny baromètre politika”, hoy i Camille Mektoub nanohy izany avy hatrany, “ka ireo mpisolelaka fatratra no lasa mamalan-kira. Mila mailo anefa isika manoloana izany satria ny ahiahy tsy ihavanana. Tandremo, hoy i Mektoub, ireo mitovy akanjo amintsika milaza fa zanak’i Dada nefa tsy izy akory ; io fangatahana daty io sao dia fanomanana milisy ? Mpikambana sasany ao amin’ny CT sy CST ihany no mitondra ny Ampanjaka, sady sao dia resaka fotsiny ireny satria fitsarana iza no handrava ny FAT ? HCC ve ?

Manoloana ny zava-misy dia nanamarika ny depiote teo aloha Ravelonanosy Mamitiana fa kabarim-pandresena no hatao manomboka izao. “Ady tamin’ny tsy rariny no nataontsika ary tsara hatrany ny vokatra”, hoy izy. “Tsy anjaran’ny FAT ny mametraka daty na mampitahotra ny Vondrona Iraisam-pirenena”, hoy i Christian Tabera. Ren’ny olona ny kiakiakantsika sy ny vahoaka malagasy ary mahatsapa ny maro fa tsy misy afa-tsy ny fiverenan’ireo filoha roalahy, indrindra fa i Dada, no vahaolana hivahan’ny krizy, hoy izy. Dia nanamafy izany ny rainy Tabera Randriamanantsoa tamin’ny filazana fa “bye bye” i Andry Rajoelina. Izany no tenin’izao tontolo izao noho ny antso teto Madagasikara. Ny toerana handehanany sisa no tadiavina, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT