Araka ny baiko nomen`ny filoham-pirenena, omaly tamin`ny 9 ora maraina no nanao fanambaram-pananana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpikambana eo anivon`ny governemanta tarihany, teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, raha ny fanazavana nomen’ny praminisitra, izao hetsika izao, sady fijoroana amin’ny fahitsiana sy fahamarinana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Ny fanambaram-pananana dia takian’ny lalàna velona, hoy izy ka mila manaiky hanatanteraka izany avokoa ny rehetra, antony nanaovan’ireo mpikambana anatin’ny governemanta. Ahafahana mamantatra raha manao kolikoly na koa manankarena tampoka ireto mpikambana eo anivon`ny governemanta ireto mandritra ny fotoana maha tompon’andraikitra ambony azy ireo no antony ny fanaovana fanambaram-pananana mba hahafahana manara-maso sy mitsara azy ireo raha toa misy ilana azy. Tsara ny fanapahan-kevitra noraisin`ny praiminisitra saingy ahoana ny fomba hanamarinana ireo fanambaram-pananana ireo ? Ny any amin`ny tany mandroso dia hita ao anatin`ny tranonkalan`ny governemanta. Hanao toy izany ve isika eto Madagasikara ? Ho sahy hametraka izany isaky ny fokotany ve ny mpitondra ? Vita iny fametrahana fanambaram-pananana fa hisy ve ny fanaraha-maso sa rehefa vita ny dimy taona nitondrana dia samy afaka ? Maro ny fanapahan-kevitra tsara teo amin`ny firenena saingy tsy misy mihitsy ny fanaraha-maso.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.