Minisitra 10 mpikambana ao amin’ny governemanta Kolo no tsy mbola nahavita ny fanambaram-pananany teny amin’ny Bianco
Fahaterem-potoana no ambaran’ny sasany ho antony tsy mbola nanaovany fa ho avy hanatontosa ny azy eny Ambohibao ihany, ny hafa indray milaza ny hampanatitra ny azy. Manana hatramin’ny 18 jolay izao izy ireo hanatanterahana izany. Omaly dia nisy minisitra telo no nanao ny fanambaram-pananany dia ny minisitry ny varotra Rafidimanana Narson, minisitry ny fambolena Ravatomanga Rolland ary ny minisitry ny serasera, Reboza Cyrille.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.