30 amin’ireo mpikambana miisa 31 ao anatin’ny governemanta Jean Ravelonarivo no nahavita nametraka ny fanambaram-pananany eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana hatry ny omaly alatsinainy 18 janoary 2016.
Ny minisitry ny fiompiana Ramparany Ramanana Anthelme no faha-30 nanao ny azy omaly, araka ny hita ao amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Ny solombavambahoaka isany Ratovoson Manoelina Hery voafidy tao Fianarantsoa I sy Velonjara Paul Bert voafidy tao Port Bergé no nisantatra ny fanaovana fanambaram-pananana tamin’ity taona 2016 ity, tamin’ny 6 janoary izy ireo no nanao ny azy avy.
Ny lalàmpanorenana no mandidy ny tsy maintsy anaovan’ny mpitondra ambony fanambaram-pananana. Herintaona nijoroana io governemanta Ravelonarivo, governemanta izay nilokaloka fa manaja lalàna sy tan-dalàna. Nitsitaitaika ny fanaovan’ny mpikambana fanambaram-pananana. Ny manaitra aza dia ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana sady mpitondra tenin’ny governemanta, Andrianjato Razafindambo Vonison, indray no mihenahena tsy manao fanambaram-pananana. Izy izay mpamerimberina sy mpiventy io resaka fanajana lalàna sy tany tan-dalàna ary fahaiza-mitantana amin’ireo fandaharana andraisany anjara mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana, miaraka amin’ny talen’ny kabinetrany, Nivo Ratiarison.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.