26 amin’ireo minisitra 32 ihany hatreto no efa nanao fanambaram-pananana, raha ny vaovao azo avy eo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na ny Bianco.
51 amin’ny loholona miisa 63 kosa ho an’ny avy eo anivon’ny Antenimierandoholona ary zara raha misy 26 amin’ireo depiote miisa 151 no efa nanambara ny fananan’izy ireo teo anivon’ny Bianco. Ny avy eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany aloha izany hatreto no naha to ny fanambarana satria dia efa nahavita ny azy avokoa izy 10 mianadahy. Ireo lehiben’ny faritra 22 moa dia tsy nisy nahavita ny azy na ny iray aza ary zara raha misy 39 amin’ny ben’ny tanàna miisa 1695 ihany koa no nanao fanambaram-pananana. Mpitsara miisa 41 amin’ny 905 koa anefa no mbola nahatontosa ny azy hatreto ary mpiasam-panjakana ambony 242 amin’ny 1727. Raha ny eo anivon’ireo sampandraharaha fitakian-ketra manokana kosa no resahana dia 110 amin’ireo mpitaky hetra miisa 134 no efa nanao izany, 26 amin’ny 99 ny avy eo anivon’ny fadintseranana, 77 amin’ny 79 ny avy eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana (Trésor) ary zara raha misy olona 6 amin’ireo mpiasa 100 no efa nanambara fananana ho an’ny avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany (Domaine). Raha ny mikasika ireo mpampiofana eo anivon’ny tafika indray kosa dia mpampiofana 3 amin’ny 20 no efa nahavita izany ary 45 amin’ireo mpampiofana zandary 75 no efa nanambara ny fananany.
Hatramin’ireo mpanara-maso ny asam-panjakana
Tsara ihany koa ny manamarika fa 18 amin’ireo 30 mpanara-maso ny raharaham-panjakana ihany koa no efa nanambara ny fananany aloha hatreto. Raha ny mikasika irony antsoina hoe ofisien’ny polisim-pitsarana (officier de police judiciaire) irony indray kosa no lazaina dia 1943 amin’ireo 2923 ny an’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (GN) ary 437 amin’ny 491 izany ho an’ny polisim-pirenena (PN). Raha atotaly izany izay rehetra izay dia 3154 amin’ny 8500, izany hoe 37,11 amin’ireo tompon’andraiki-panjakana tokony hanao fanambaram-pananana ihany no efa nahavita izany hatreto. Ny Bianco anefa dia toy ny fotsy rora hatrany mampatsiahy araka ny andininy faha-2 sy faha-5 ary 34 amin’ny lalàna laharana 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 mikasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny andininy faha- 40 sy 41 amin’ny lalàmpanorenana fa tokony hanao ny fanambaram-pananany sy hanavao izany isan-taona ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.