Mahalasa saina ny mandinika ny fanomanana ny fifidianana. Toa tsy dia maharototra ny mponina mantsy ny fanamarinana ny lisi-pifidianana tonga eny amin’ny Fokontany aloha hatreto.
Raha ny zava-misy ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra dia mbola vitsy ireo manao izany raha ny andavanandro no jerena. Miakatra kely ny isa rehefa sabotsy ary ny alahady teo dia voatery niasa mihitsy ny biraom-pokontany sasany ao Antsirabe raha filazan’ny lehiben’ny Fokontany. Ny filoham-pokontany sasany moa dia voatery nitady hevitra hafa mihitsy satria efa antomotra ny daty farany voafaritra saingy mbola betsaka ireo tsy nijery ny azy. Ho an’ny any amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa dia tena entina mitety tanàna mihitsy ny lisi-pifidianana, ka aleha any an-tranony ny mponina hanamarinana ny anarany.
Nanamafy izany Atoa Ramamonjisoa Charles, sefom-pokontany ao Tsarafiraisana, Kaominina Ambano, Distrikan’Antsirabe faharoa fa noho ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fivelomana dia aleo atao izay mba tsy hiteraka olana indray amin’ny fifidianana. Ankoatra izay dia nanaitra ihany koa ny tranga niseho tao Avaratsena Antsirabe tampon-tanàna. Nnihetsika mantsy ireo fiarahamonim-pirenena miara-miasa amin’ny CENI-T ka namelatra tranoheva manokana toy ireny amin’ny tsenabe ireny nanoloana ny vavahadin-tsenan’Asabotsy ny sabotsy 20 aprily 2013 lasa teo. Teo no natao ny ny fanentanana sy fitaomana ny olona hijery sy hanamarina ny anarany. Arahina lalao ny fanentanana toy ireny dokambarotra ireny ka omena loka izay mahavaly ny fanontaniana apetraka.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.