Sarotra ny mikaro-baovao mikasika ny resa-pifidianana, indrindra ny lisi-pifidianana eo anivon’ny CER Atsinanana.
Na tsy hita birao ireo mpikambana na milaza ny tsy afaka manazava, raha tonga ny mpanao gazety maka ny vaovao ho an’ny vahoaka Malagasy hiatrika ny fifidianana. Na tsy miteny aza ny CER atsinanana dia tazana sy tsikaritra ny olana sedrainy, ary lasa manamarina avy hatrany ny vaovao re mikasika ny olana ara-bola nitranga tao aminy. Ny angom-baovao natao no nahafantarana fa omaly tamin’ny 04 ora tolakandro vao namory ny filoham-pokontany ao aminy ny delegen’ny boriborintanin’Ambodimanga. Anisan’ny lahadinika ny fizarana ny lisi-pifidianana vonjimaika hahafahan’ireo mpifidy manamarina sy manitsy ny anarany raha sendra misy fahadisoana.
Raha ny toromarika navoakan’ny CENI-T anefa dia ny 07 aprily (alahady) teo no tokony ho nifarana ary nalefa teny amin’ny fokontany ireo lisi-pifidianana vonjimaika ireo, ka ny alatsinainy 8 aprily dia afaka mijery izany eny amin’ny fokontany ny mpifidy. Ny an’ny faritra atsinanana anefa ny 11 aprily vao vita izany. Ankilan’izay, mandeha indray izao ny fanambazana ireo filoham-pokontany amin’ny tambin-karamany, ny volana febroary teo no milaza ny handoa ilay tambin-karama Ar.100.000 ho an’ny filoham-pokontany, Ar.50.000 ho an’ny lefiny, izay tsy voaloa tamin’ny CENI teo aloha ny teo anivon’ny CER atsinanana sy ny CED Toamasina I, nefa hatramin’izao tsy mbola nisy izany ary mbola ho olana raha ny olana ara-bola eo anivon’ny CER sy ny CED ao Toamasina no jerena. Ankoatra izay, manahy ny hetsika mety hataon’ireo fokontany ny fanjakana, dia fantatra koa izao fa nilaza ny handoa ny tambin-karama isam-bolana nefa raisina isaky ny 3 volana ny ampahany voalohany, 30.000 Ar ho an’ny filoha sy 15.000 Ar ny lefitra, ny minisiteran’ny atitany. Miandry ny tambin-karamany ireto filoham-pokontany sy ny lefiny ireto. Nanomboka ny krizy ny taona 2009 anefa dia ny faritra hatrany no nandoa izany tambin-karama izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.