Hisy ny dinika iarahan’ireo sefom-pokontany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Kaomisionina momba ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ary ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI rahampitso 11 janoary manomboka amin’ny 10 ora maraina eny amin’ny ENAM Androhibe.
Lahadinika sy hojerena akaiky amin’izany ny mikasika ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany 2016-2017, ny fandraisan’anjaran’ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena ao anatin’ny komity ifoton’ny fanisana ny mpifidy na ny CLRE, ny fizotry ny fanaovaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE). Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa ny 31 janoary ho avy izao no hifarana tanteraka ny fahafahana manavao ny anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Izay tsy mahavita izany ao anatin’io fe-potoana io, dia tsy afaka ny handray anjara sy haneho ny safidiny amin’ny fifidianana rehetra hizotra eto amin’ny firenena amin’ity taona 2018 ity. Tanjona napetraky ny CENI moa ny hanatrarana 10 tapitrisa ny lisitry ny mpifidy, raha toa ka manodidina ny 9 tapitrisa mahery kely eo izy raha ny tatitra farany. Karazan’ny efa ala nenina farany ho an’ny olom-pirenena izany ity volana janoary ity mba tsy hahavery zo azy. Manana anjara adidy rahateo ny tsirairay amin’ny fifidianana. Tsy misy dikany ny resabe eny amin’ny fiarahamonina sy ny fimenomenonana momba ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena na tsy fahombiazan’ny mpitondra rehefa ny isam-batan’olona no tsy mandray ny andraikiny sy mahatsapa fa miankina amin’ny safidy ataony amin’ny fifidianana ny hoavin’ny firenena. Lany andro handoka na hankahala mpanao politika eto fotsiny raha toa ka tsy afaka ny handray anjara amin’ny fifidianana akory.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.