Politique

Fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny Demokrasia : Tsy nahazo alalana ho etsy Ambohijatovo ny Vehivavy Ravalomanana


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Sao dia ny tsy fanaovana fangatahana no tsy nafahantsika nivoaka tamin’ny sabotsy, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka, omaly.

 Tomefy olona teny an-toerana fa tsy tahaka ny fanatsatsoan’ny haino aman-jery sasany azy. Amin’ny maha andron’ny Demokrasia ny 15 septambra dia nanao fangatahana ny vehivavy kanefa dia mazava ny valin-teny avy amin’ny kaominina (CUA) fa tsy azo hanehoana hevitra politika eo amin’ny kianjan’ny “DEMOKRASIA” etsy Ambohijatovo. Na omenareo na tsy omenareo izahay, hoy izy, Sandton ihany no Sandton ary ny tolona tsy maintsy mandresy.

Mibaribary ny tsy fisian’ny demokrasia eto. Nohamafisin’ny Depiote Ravelonanosy Mamitiana izany tamin’ny hoe : hatreto aloha dia tsy misy Demokrasia eto Madagasikara, ny radio sy ny televiziona koa maro no nakatona ary mpanao gazety firy no nogadraina sy tsy an’asa fa ny miaramila vitsy no manao ny Demokrasiany ? Ianareo mitady fitoniana indray no mamerina ny ferinareo tsy hikatona amin’ireny fandefasana ny 7 febroary ireny, hoy Rostand Randriampilamanana.

Efa fantatry ny olona sy izao tontolo izao ny momba an’iny fa ianareo no nitondra olona hovonoina teny Ambohitsorohitra. Omeo kianja malalaka kokoa noho i Ambohijatovo izahay, hoy izy, ary handao hanao fanamby amin’ny kianja 2, ny iray tsy mankasitraka ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ary ny iray hafa mankasitraka dia ho hitan’izao tontolo izao eo. Tena mazava amin’ny Sadc fa misy ny mpanao politika mieritreritra ny firenena ary misy ny mpanao politika business man eto. Ny atao hoe Demokrasia dia famelan’ny olona rehetra hisafidy ny olona tiany hitondra azy ka raha mbola misy hailika dia tsy demokratika. Mafana tokoa ny raharaha ka dia miova foana ny fanambarana isan’andro, hoy Ignace manampy izay rehetra izay. Efa miteny ny olona rehetra fa Sandton, hoy izy, fa ny azy iny lalana iny ihany, sori-dalan’Ivato, Simao-Salomao, miroso isika, fifidianana sy sonia. Ho ento any Ambohitsorohitra tokoa ny vahoakanareo ry mpomba ny fitondrana FAT dia ho hita eo ny hataon’ny mpiambina ny lapa fa i Andry Rajoelina no ao.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT