Politique

Fanalana amin’ny toerany ny ADG Fanalamanga Nanazava ny antony ireo delegasiona avy any Moramanga


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012


 Nanome fanazavana misimisy kokoa ny mpanao gazety omaly, ny amin’ny antony nitakian’izy ireo tamin’ny minisitra tompon’andraikitra ny tokony hanesorana amin’ny toerany ny ADG-n’ny orinasa Fanalamanga ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Moramanga sy ny solontenan’ireo mpitrandraka ala tonga manokana mivahiny eto Iarivo amin’izao fotoana izao. Hazavaina ny sain’ny vahoakan’i Moramanga sy ireo mpiasa any ambanivohitra any ary ireo mpitrandraka ala, hoy ny CT Randrianandrasana Masy, mikasika ny fisian’ny fisavorovoroana noho ny fitokonana ataon’ireo mpitrandraka ala ao amin’ny Fanalamanga amin’izao fotoana izao. Lazaina, hoy izy, fa tsy ara-dalàna ny fanalana ny ADG am-perinasa satria didim-pitondrana no nanendrena azy nefa didim-panjakana laharana 2770/2012 tamin’ny 20 febroary 2012 no navoakan’ny minisitra nanalana azy.

Araka ity taratasy asehonay anareo ity anefa, hoy ity CT ity, dia mazava fa didim-pitondrana 4605/09/MEF tamin’ny 10 jolay 200 ihany koa no nanendrena azy tamin’izany fotoana izany ka ara-dalàna io fanalana azy io. Nalana izy, hoy ireto delegasiona avy any Moramanga ireto satria tsy nahomby ny nataony. Nohamafisin’ny CT Lanto Andriamamonjy, mbola avy any amin’ny Faritra Mangoro fa nisy dia nisy ny gaboraraka tamin’ny fitantanan’ity ADG ity. Ka izahay dia nanagataka fanadihadiana manokana avy amin’ny mpanara-maso ny ministera mba hialana amin’ny mety hatao hoe tondro molotra fotsiny na fanaovana honohono amin’ny fisian’ny gaboraraka fa tsy fantatra na mety misy tombontsoa tsy iraisana na tsy hifanarahana fotsiny dia lasa manao zavatra tsy araka ny tokony ho izy.

Nitondra ny tatitry ny fanaraha-maso àry ny avy amin’ny ministera ka hita tao fa tamin’ny taona 2008 dia nisy tombombarotra 7 miliara tao, fa hatramin’ny nidiran’ny ADG tamin’ny 2009 dia nidina foana ny vokatra ka tamin’ny 2010 dia fantiantoka 21 tapitrisa ariary no hita. Tamin’iny taona 2011 iny ny navoakan’ny “bilan” vonjimaika dia fatiantoka 157 tapitrisa ariary no nisy. Ny trosa amin’izao dia 3, 6 miliara ariary. Ny vola amin’ny “prestations” rehetra tokony hiditra mitentina 4,4 milara ariary nefa tsy tafiditra. Voamarina koa ny fanomezana “permis d’exploitation” tsy manaraka ny “cahier de charge” dia ny fanomezana “partielle” be dia be amin’ny olon-tokana. Olona 15 izay fianakavian’ny mpitantana ihany no fantatra fa tena mahazo tombontsoa amin’ny fitrandrahana fa manana 8700 ha.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT