Politique

Fanalamanga Hijabahan’ny TGV, hoy Ignace Randriamamizafy


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

“Mijabaka amin’ny raharaha tsy tokony hidirany ny Tgv ao Moramanga”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita, Ignace Randriamamizafy.

 Tsy tokony hidirana antoko sy politika ny fanendrena talen’orinasa, araka ny fanazavana ihany. Tsy izany anefa no mitranga ao amin’ny orinasa Fanalamanga ao Moramanga. Raha ny vaovao nampitain’ity mpikambana eo anivon’ny kongresy misolotena an’i Moramanga ity manko dia nanangona mpitarika posy sy ireo tsy dia manan-katao ny olon’ny Tgv, izay nokaramainy tao Moramanga tao. Nilaza ho mpiasan’ny Fanalamanga izy ireo, ary nasaina nitaky ny tsy hanesorana ny tale jeneralin’ny orinasa, eo amin’ny toerany. Araka ny fanazavana anefa, dia anisan’ny tombontsoa azon’ny mponina tamin’ny Fanalamanga ny fikajiana ny lalana nataony hatramin’ny taona 2009. Nanomboka teo anefa dia tsy vita intsony ny fikoloana ny lalana ka na fiara tsy mataho-dalana aza no ampiasaina dia tsy afaka noho ny haratsiny. Raha ny fanazavana ihany dia mpanera ity olon’ny Tgv izay manery ny amin’ny hoe tokony ho zanak’i Moramanga ary Bezanozano no hitantana ny orinasa Fanalamnga. Fiovana no nodradraina, hoy Ignace Randriamamizafy kanefa dia fihemorana any amin’ny andron’ny Galliéni no atao satria ity jeneraly frantsay ity no namboly ny fomba fisainana ara-pirazanana teto amintsika.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT