Rehefa tena niroso lalindalina kokoa amin'ny ady amin'ny dahalo ny mpitandro filaminana, nanomboka tamin'ity herinandro ity ary nametraka andian-tafika manokana mihitsy any Betroka, dia tsapa fa nirongatra indray ny fanafihana sy fanakanan-dalana amin'ny lalam-pirenena faha-7 na RN7 iny.
Nisy ilay fanafihana taksibrosy ka nahafatesana mpamily iray ny alarobia lasa teo. Dia nisy fiara roa hafa indray voatafika ny alakamisy alina sy omaly maraina, ka teo anelanelan'Ihosy sy Toliara no nitrangan'izany. Ka asa na fifanandrifian-javatra fotsiny ihany, na efa izay mihitsy ilay paikady amin'ny fanakorontanana hoe, raha vao mihetsika hisambotra ny dahalo mpangalatra omby ny mpitandro filaminana dia alefa indray ny fanafihana fiara eny amin'ny lalam-pirenena. Tsotra ny tanjona amin'izany dia ny hampitombo ny fitaintainan'ny olona sy hanasarotana ny asan'ny ny mpitandro filaminana. Taorian'ny fivoahan'ilay taratasy tsiambaratelo manambara ny tetika maizin'ny Frantsay hanakorontanana an'i Madagasikara koa, dia maro no manomboka mieritreritra fa sao efa tafiditra ao anatin'izany ireo ambara fa fanjavonana sy fahafatesan'ireo teratany Frantsay telo, tany Toliara tamin'ity taona ity ? Ary manomboka mampieritreritra ihany koa ny fifandirana teo amin'ny polisy sy ny mpitsara tao Toliara ka nahafatesan'ilay mpitsara Rehavana Michel ny 9 desambra 2011.
Any atsimo avokoa no mitranga izany rehetra izany, ny faritra atsimo izay fantatra ankehitriny fa manana harena be any ankibon'ny tany kanefa izy no tratra aoriana indrindra amin'ny resaka fampandrosoana. Any atsimo no ambony indrindra eto Madagasikara ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo satria sahirana amin'ny resaka fambolena sy fampidiran-drano ny mponina any. Any atsimo ihany koa no anisan'ny ambony ny tahan'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Ary ny faritra atsimon'ny nosy iny no anisan'ny tsy dia voatsidiky ny mpitondra, indrindra fa nandritra izao fitondrana tetezamita izao, na dia miezaka mafy manarina izay ihany aza i Andry Rajoelina ankehitriny. Rehefa mitambatra ireo singa rehetra ireo dia hita fa faritra mora korontanina sy ambolena tsy fandriampahalemana ny any atsimo ary tena ho sarotra ho an'ny mpitandro filaminana malagasy izay tsy tena mbola ampy haizatra sy traikefa amin'ny ady anay akata, ny hifehezana izany.
Manome vahana ny dahalo ny toe-tany any atsimo satria maro be ireo zohy azo hiafenana, no sady midadasika be ny tany mbola malalaka, ary mananosarotra ny fanenjehana azy ireo ho an'ny olona tsy tena mbola zatra tany mafana. Ny miaramila malagasy rahateo rehefa mba manao fanazaran-tena sy sarin'ady miaraka amin'ny miaramila Frantsay dia eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana foana no mandeha, fa tsy tena mbola tazana tany amin'ny tany karankaina sy main'andro tany Toliara. Ka tsy tokony hatao hahagaga raha sahirana ny miaramila mikaroka an-dry Remenabila. Toa fifanandrifian-javatra hafahafa avokoa izany rehetra izany, ary toa manaporofo tokoa ny fisian'ny paikady hanakorontanana avo lenta ity firenena ity, izay efa natomboka tany atsimo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.