Tsy tokony ho variana amin’ireo fanomezana kely hitan’ny maso sy mahavita iray andro fotsiny ataon’ny fanjakana ny vahoaka Malagasy hoy ny Solombavam-bahoaka teo aloha, Marie Zenaïde Ramampy Lechat.
Tsy mitondra inona ho an’ny toekarena ireny hoy izy fa vahaolana goavana sy maharitra no tokony karohina. Tokony handini-tena ihany koa ny tsirairay manoloana izao fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena hoy izy. Nilaza ny tenany fa tsy voatery ho ny mpitondra fanjakana no tompon’antoka amin’ny tsy fahombiazan’io Madagasikara fa ireo vahoaka mpifidy nanome ny fahefana ihany. Na izany aza dia tokony hikatsaka fatratra ny tombontsoam-bahoaka ny mpitondra fanjakana ary hiezaka hanatsara ny fiainan’ny Malagasy fa tsy ho varimbariana fotsiny. Ilaina ihany koa ny fiarahamonim-pirenena hitady vahaolana hamahana ny fahantrana hoy ny tenany. Nanamafy i Marie Zenaide Lechat fa manampetra ary mety ho tapitra ny kitolotolotra atao fa vahaolana maharitra no tokony hotadiavina.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.