Politique

Fanakianana ny fanjakana Rajoelina Nadoboka eny Antanimora i Berija


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy lasa i Berija Ravelomanantsoa taorian’ny fitazonana azy teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana nanomboka ny alahady 31 mey lasa teo.

 Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny reniny, ny vadiny, ny zandriny. Amin’ny 21 jolay 2020 ny fitsarana azy. Arahin’ny fitsarana maso ary miverina eny amin’ny sampana misahana ny “cybercriminalité” kosa Rtoa Mirana, izay enjehina miaraka amin’i Berija. Vesatra hanenjehana azy ireo fanaratsiana ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny tambajotra facebook. Eo ihany koa ny fanohintohinana ny filaminana anatiny sy fanakorontanana saim-bahoaka, raha ny fanazavan’ny mpisolovava azy ireo. Tsy nanana toerana nahafahana mitazona azy ny sampana “cybercriminalité”, ka izay no anton’ny fitazonana teny Fiadanana. Tena malahelo aho Atoa Filoha satria nandritra ny tetezamita dia nampiasainao io zanako io, hoy kosa ny reniny taorian’ny fahafahany. Tsy nisy tambiny fa fitiavana anao. Ny fanampiana anao no nampigadra azy tany Tsiafahy. Niaro anao foana izy io, kanefa ny “message” nifanaovana taminao tamin’ireny no nanadihadiana sy nampigadra azy. Raha toa ka misy zavatra nataony tsy zakanao mananinona raha mba nantsoinao mba miresaka. Ianareo roa mba mpiresaka sy mifandefa “message” . Izy mba nanavotra anao dia ianao indray izany izao no ohatran’ny hoe mampigadra azy, hoy ity renin’I Berija Ravelomanantsoa ity. Taorian’ny fiarahana tamin-dRajoelina, dia niara-dàlana tamin’ny olon’ny fanjakana Rajaonarimampianina toa an’Atoa Mbola Rajaonah izay nadoboka am-ponja nanomboka ny febroary 2019 i Berija.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT