Politique

Fanakatonana ny Magro Misy ambadika politika


  • Alarobia 01 Jona 2016

Nanazava ny fandikan-dalàna hita tamin’ny fampiharana ny didy miaro fampihorohoroana fanakatonana ny vavahady miaraka amin’ireo entana ao anaty kaontenera eny Ankorondrano avy amin’ny minisiteran’ny

 

Varotra ny maître isany Raodson Solo sy Andriamadison Hasina mpiaro ny vondrona orinasa Tiko nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety omaly teny Antaninarenina. Tsy nisy hatreto ny didy hitsivolana nivoaka manome alalana ny vadintany hanao izany. Manahy ny fisian’ny ambadika politika avy amin’ireo mpiara-miasa amin’ny filohan’ny Repoblika manakana ny fisokafan’ny orinasan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ireto farany. 

Toromariky ny filoham-pirenena

Gaga sy talanjona tamin’ny fiovan-kevitra tampoky ny Antenimieran’ny Indostria sy ny Varotra Antananarivo nampijanona ny asa fanamboarana ny Magro Ankorondrano efa mizotra tsara tamin’ny alalan’ny didy avy amin’ny minisitry ny Varotra Tazafy Armand nivoaka ny 20 mey 2016 teo ireo mpitantana ny Tiko Group. Toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery mihitsy anefa ny fitadiavana marimaritra iraisana hanokafana indray ny orinasa Tiko. Anisan’ny nanatrika ny fihaonana tamin’izay ry zareo avy ao amin’ny CCIA, hoy ny tale jeneralin’ny Tiko Andrianaina Heritiana. Niezaka nifampiraharaha rahateo ny roa tonta taorian’io dinika savaranonando notarihan’ny filoham-pirenena teny Iavoloha io. Nanosika sy nanafaingana ny fivoaran’ny fifampiresahana ihany koa ny minisitry ny Varotra teo aloha Rabesahala Henri tamin’ny alalan’ny taratasy fankaherezana nosoniaviny ny 16 febroary 2016. Antony nahatonga ny vondrona orinasa Tiko nikaroka mpiara-miombon’antoka vahiny hanarina ny fotodrafitrasa simba teny an-toerana efa ho volana maromaro izao.

147.420.000 ariary

Nolavin’ny CCIA ny antontam-bola hofan-tany miaraka amin’ny onitra mitentina 147.420.000 ariary avy amin’ny Tiko Group saika harotsaka ny alatsinainy 30 mey 2016 teo. Vonona hatrany anefa ny orinasa Tiko hifampiraharaha mba hitondrany ny anjara birikiny ho fanarenana ny toekarena Malagasy. Ampy rahateo izay ny fatiantoka 7 taona tsy nampiasana ny tany. Afaka volana vitsy dia misokatra ny Magro Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina ary Antsirabe raha avela malalaka handraharaha ny orinasa, hoy ny tale jeneraliny.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT