Politique

Fanajana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara


  • Zoma 26 Febroary 2016

Mbola ratsy endrika any ivelany i Madagasikara ary tena maizina ny tabilao ho an’ny taona 2015, araka ny tatitra isan-taona fanaon’ny Amnesty International izay fikambanana miaro ny zon’olombelona.

 

Ambaran’ity tatitra ity fa nisy ny fampiasan-kery tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna ary diso tafahoatra nataon’ny mpitandro filaminana Malagasy, izay efa azo sokajiana ho famonoan’olona mihitsy aza tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Firenena tena mahantra i Madagasikara, hoy ny Amnesty International satria miaina amin’ny latsaky ny 2 dolara isan’andro ny 92%-n’ny mponina ao aminy. Io fahantrana io ihany koa no mahatonga ny ankamaroan’ny Malagasy tsy hisitraka ny zo ara-toekarena sy ara-tsosialy toy ny sakafo, rano fisotro madio ary ny fampianarana. An-tanàn-dehibe ihany koa dia mbola voatondro ho mampiasa herisetra ary tsy manaja ny zon’olombelona ny mpitandro ny filaminana Malagasy, araka ity tatitra ity. Notsindriany manokana ny nidarohan’ny Emmo reg an’i Jean Pierre Randrianamboarina, izay mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny 31 aogositra 2015. Mandray ny tatitra tahaka itony ho fototra iaingany amin’ny fiaraha-miasany amina firenena iray ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola avy any ivelany. Raha tsy misy ny ezaka fanatsarana ataon’ny mpitondra Malagasy amin’ireo fanamarihana sy fanakianana ireo dia ho sarotsarotra ihany no hino fa hitobaka eto ny famatsiam-bola.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT