Politique

Fanagadrana mpanao gazety Natahotra dia nilefitra ny fitondram-panjakana


  • Zoma 25 Jolay 2014

Niditra an-tsehatra ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly antoandro ka niangavy ireo minisitra telo mba hisintona ny fitorian’izy ireo ny mpanao gazety mirahalahy. Ny hariva ihany dia nanambara ny minisitra telo mirahalahy

: Rivo Rakotovao, Narson Rafidimanana, Anthelme Ramparany fa nanapa-kevitra ny hisintona ny fitorian’izy ireo. Izany no natao dia mba hisian’ny fitoniana sy ny filaminana. Raha ny tokony ho izy izany izao dia afaka madiodio ary tokony hivoaka ny fonja i Jean Luc Rahaga sy Didier Ramanoelina satria tsy misy intsony ny vesatra iampangana azy ireo, efa nanatsoaka ny fitoriany ireo mpitory. Mibaribary be ny resaka eto fa dia nanao ny asan’ny mpamono afo ny filoham-pirenena ka nibaiko ny minisitra mba hisintona ny fitoriana. Nilefitra nanoloana ny fitakian’ny mpanao gazety izany eto ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny. Nanamarika anefa i Hery Rajaonarimampianina fa tsy faharesena velively izao natao izao fa fahamendrehana ary tsy maintsy natao satria mila fitoniana isika. Nahatsikaritra ny mpanao gazety omaly fa nifanandrify tamin’ny fihaonana farany nataon’ny filoha tamin’Atoa Leonidas Tezasidis Masoivoho sy lehiben’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika ny fivoahan’ity fanapahan-kevitra ity. Mialoha izao anefa dia henjam-pitenenana ny talen’ny kabinetran’ny filoham-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety. Tampotampoka teo, niova ny zava-drehetra. Fa inona ary no nitranga ? Nanao tsindry bokotra tamin’Atoa filoha ve ny Masoivohon’ny Vondrona eoropeanina ? Sa nahatsapa ny filoha fa henjana ny toe-draharaham-pirenena ka aleo vahana haingana ity olana fanagadrana mpanao gazety ity. Maro loatra mantsy ny olana eto. Ao ny an’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, ny vidim-piainana miha lafo isan’andro, ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny delestazy mbola mitohy manerana ny nosy ... Ilay fanjakana anefa mangozohozo sy tsy manana fototra politika matanjaka ka mety matahotra ny hirodana. Amin’ny lafiny iray dia azo ambara fa fandresena ho an’ny asa fanaovan-gazety izao, fa na izany aza dia mamela fahatsiarovana ratsy ho an’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina, ary fahatsiarovana sarotra kosehana iny na ahoana na ahoana ataon’ny mpitondra eo. Manamafy ny sendikan’ny mpanao gazety fa mitohy ny hetsika fidinana an-dalambe anio ary takiana ny fametraham-pialan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT