Efa tena mihantsy ady amin’ny mpitandro ny filaminana ny dahalo any amin’ny faritra atsimo andrefan’ny nosy.
Tsy mahataitra azy ireo akory ny fametrahana ilay andian-tafika manokana ao Mahabo. Nitrangana asan-dahalo mahery vaika in-droa nisesy indray mantsy tany Beroroha omaly. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny valo ora, fiarana mpitandro ny filaminana namita iraka tamin’iny faritra iny no nosakanan’ny malaso nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, ary notafihan’izy ireo, tao Berenty, ka miaramila miisa telo no naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy, izay tsy maintsy nampidirina hopitaly. Mbola tao Berenty hatrany saingy tao amin’ny fihaonan-dalana mihazo an’i Beloha, omaly mitataovovonana, dia fiara taksiborosy iray “Bilo Malaza” notafihan’ny dahalo, ka olona 23 no indray maty namoy ny ainy, ary anisan’izany ny mpitsabo mivady “medecin chef” ao amin’ny CSB II Tanandava sy zandary iray miasa any an-toerana. Raha araka ny nambaran’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany an-toerana azo tamin’ny antso an-tariby, dia notifirin’ny dahalo ny kodiaran’ity fiarabe mpitatitra ity sy ny mpamily ka nivarina tany anaty hantsana ilay taksiborosy ka nivadika ambony ambany avy eo. Izay no nitarika fahafatesan’olona 23 be izao. Mpandeha 3 sisam-paty no mbola miady amin’ny fahafatesana noho ny ratra mafy nahazo azy ireo, raha ny fantatra, araka ny vaovao azo farany tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.