Higadona tsy ho ela ny fotoana hiatrehan’ireo kilonga madinika ny fanadinana CEPE taom-pianarana 2015-2016. Mbola betsaka anefa ireo tsy manana na inona na inona noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano. Mba ho fanampiana azy ireny indrindra ary dia nanolotra fanampiana ho an’ireo ankizy sahirana manaraka cours maimaimpoana ao aminy tetsy amin’ny College Ranaivosoa Ankadifotsy Rakotondrazafy Lalatiana, filohan’ny antoko Freedom ny faran’ny herinandro teo. Ankizy miisa 120 miparitaka amina kilasy dimy no nahazo tombontsoa tamin’izany. Fitaovam-pianarana hahafahan’izy ireo manohy ny cours no natolony tamin’izany toy ny kahier sy ny penina. Mbola hiampy karazana fitaovana hahafahan’izy ireo miatrika ny fanadinana CEPE izany raha araka ny fanazavan-dRakotondrazafy Lalatiana hatrany raha anisan’ny fanamby goavana hapetraky kosa ny hananganany trano lehibe hahafahana mampanao cours maimaimpoana ny ankizy tahaka izao satria mbola manofa izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ireo hiatrika ny fanadinana BEPC sy Bakalôrea raha hisokatra tsy ho ela ny fampianarana maimaimpoana ny teny Frantsay sy ny teny Anglisy izay marihina fa efa nisy ihany koa saingy voatery najanona noho ny tsy fisian’ny trano. Tsiahivina moa fa 80 % hatrany ny voka-panadinana azon’izy ireo hatramin’izay ho an’ny fanadinana CEPE.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.