Politique

Fanadihadiana vahiny Lany amin’ny 60% Ravalo


  • Alakamisy 20 Septambra 2012

Raha nandaha-teny tao amin’ny Magro Behoririka ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) Randriamamiarizafy Ignace, omaly, dia nilaza fa nisy fanadihadiana vahiny momba an-dRavalomanana.

 Milaza io fanadihadiana io, hoy izy fa mbola lany any amin’ny salanisa 60% i Marc Ravalomanana raha mirotsaka hofidiana. Manoloana io tarehimarika io, hoy ny CT Ignace dia atao amin’ny fomba rehetra izay tsy hodian-dRavalomanana ato anatin’ny enim-bolana mialoha ny fifidianana hanakanana azy tsy hirotsaka satria be no matahotra. Niantso ireo mpiara-dia aminy moa ny CT Igance mba hanamafy ny tolona sy hahatongavan’ny maro an’isa eny an-kianja hanehoana fa marina io fanadihadiana nataon’ny Frantsay io fa mbola lanin’ny antsasamanilan’ny Malagasy ho filoha i Marc Ravalomanana. Toa manamafy izay ny nambaran’ny CST Jeanson milaza fa manerana ny Nosy dia misy vondron’olona miaritra hain’andro, rivotra sy vovoka, miady ny hampodiana an’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Araka ny fanazavan’ity mpikambana avy amin’ny MFM ity, dia vao avy nanao fitsidiham-paritra izy ka ny feom-bahoaka avy any amin’ny faritra dia nilaza fa «na dia mbola any Afrika Atsimo aza Ravalomanana dia tsy misy adihevitra ny fahalaniany».

Momba ny ho dian-dRajoelina any Etazonia indray dia nambarany fa ny visa ambany grady indrindra no azony, tsy ahafahany mandeha mihoatry ny 40km miala ny foiben’ny Firenena Mikambana any New York. Momba ny hoe fahazoan’ny mpitandro ny filaminana an’i Tokanono dia nambarany fa tsy i Tokanono ilay voasambotra. Voan’ny homamiadan’ny nono i Tokanono, ka voatery nesorina ny nonony iray, izay no maha tokanono azy, hoy ihany i Jeanson fa ilay voasambotra kosa dia manana nono roa saingy kilemaina. Nisy fahadisoana teo amin’ireo mpitandro ny filaminana, hoy izy. Nambarany moa fa ny raharaha Remenabila aza tsy voalamina kanefa maika hiroso amin’ny fifidianana ny sasany, hoy izy. Voalaza moa fa amin’io volana oktobra io dia hiroso amin’ny fivoriana ara-potoana ny parlemanta roa tonta ka tsy maintsy hisy zavatra hifandaminana sy apetraka eo, hoy izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT