Politique

Fanadihadiana 17,8% no hifidy an-dRajoelina


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Fanontaniana an-tsain’ny maro ankehitriny ny mety ho fisehon’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika eto Madagasikara ho avy eo. Nampanao fanadihadiana ny Fikambanan’ny mpianatra informatika sy statistika eny Ankatso ny gazety Tia Tanindrazana.

 Ny fanontaniana dia napetraka tamin’ny olon-tsotra miisa 460, lahy sy vavy monina eto Antananarivo Renivohitra tamin’ity volana martsa 2012 ity. Tsy noraisina ny anarany noho ny tahotry ny tsirairay.
Hita taratra tamin’izany ary fa 17,8 isan-jaton’ny olona nanontaniana ihany no milaza fa vonona hifidy an’ingahy Andry Rajoelina raha toa izy ka hilatsaka hofidiana.

Hita ho nidina tokoa izany raha nihoatra ny isan-jaton’ny vato lasany fony izy nilatsaka ho Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. 51,1 isan-jato kosa no nilaza mivantana fa tsy hifidy azy, ary 25,4 isan-jato no niteny fa tsy tokony hilatsaka hofidiana akory izy. Ny ambiny moa dia tsy sahy naneho hevitra. Ny tena antony tsy hifidianan’ny olona azy raha napetraka ny fanontaniana dia noho izy tsy mahay mitantana. Ny 26 isan-jaton’ny olona no namaly tahaka izay. 18 isan-jaton’ny olona kosa no tsy hifidy azy noho izy mandainga ary ny 11,5 isan-jato dia tsy hifidy azy satria mihevitra ny olona nanontaniana fa mamerina ny fanjanahana eto Madagasikara izy.

Tia Tanindrazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT