Tsy laharampahamehana ho an’ny fitondrana tetezamita ny fanabeazana ny zaza Malagasy.
Hatramin’ny niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana no efa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny zaza Malagasy mandao ny fianarana. Raha ny tatitry ny Unicef farany dia ny 25%-n’ny ankizy no tsy mianatra ankehitriny ka tao anatin’ny telo taona izao no tena naharatsy ny toe-draharaha. Noho ny fahatsapany ny tsy rariny mahazo ny mpampianatra dia mitokona ny ankamaroan’ny mpampianatra mivondrona ao amin’ny SEMPAMA manerana ny Nosy kanefa tsy misy ny vahaolana aroson’ny fitondram-panjakana. Mihamafy anefa ny hetsika ataon’ireo sendikalista ireto satria lasa nanaraka ny lamina avy aty amin’ny foibe ny ao Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana.
Efa mitokona koa ny ao Fianarantsoa, Ihosy ary ny maro hafa. Raha nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanabeazana ny solontenan’ny SEMPAMA eto an-drenivohitra ny zoma 16 martsa teo dia fandrahonana indray aza no azon’izy ireo, araka ny nambarany. Tandindomin-doza, araka izany, ny fampianarana miankina amin’ny fanjakana raha mitohy ny resaky ny moana sy ny marenina tahaka izao. Voatohintohina koa anefa ny fanomanana ny fanadinam-panjakana ka ahiana mihitsy ny tsy ahafahan’ny mpianatry ny sekolim-panjakana hiatrika azy ireny amin’ity taona ity. Ao anatin’ny fanomanana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fiatrehana ny fanadinana ny mpianatra izao ankoatra ny fidirana amin’ny telo volana farany. Mety tsy ho tanteraka mihitsy aza ireo fanadinam-panjakana ireo na ho an’ny tsy miankina satria misy amin’ireo mpiasa eny anivon’ny CISCO sy ny DREN miray hina amin’ny SEMPAMA amin’izao fitakiany izao.
Zava-misy any Antsohihy sy Ihosy izany. Ireo mpitokona koa anefa etsy andaniny milaza ny tsy hiverina handray ny asany mihitsy mantsy ireo raha tsy azony ny fitakiana. Nanamafy izany ny SEMPAMA ao Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana tamin’ny fanambarana navoakany omaly. Sahala amin’izay koa ny zava-misy eny anivon’ny ambaratonga ambony noho ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Ireto farany izay mitaky ny hanatanterahan’ny fanjakana ireo didim-panjakana telo navoakany tamin’ny oktobra 2009 momba ny tambin-karama amin’ny fikarohana sy ny “déplafonnement”. Maro ireo sokajin’asa nanao fitokonana tao anatin’izao FAT saingy ireo be sandry atahoran’ny mpitondra na koa misy fiantraikany mivantana amin’ny ain’ny vahoaka ny fiantohan’ny asany ihany no nomeny fahafaham-po. Lohalisitra amin’izany ny miaramila, ny mpitsabo ary ny mpitsara.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.