Politique

Fanabeazana PSE Rafitra mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Fanapahan-kevitra lehibe noraisin’ny fanjakana ankehitriny ny fampiharana ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education).


 

 Singa goavana eo amin’ny fiainam-bahoaka anefa ny fanabeazana. Antoka fototra ihany koa amin’ny fampandrosoana ny firenena eo amin’ny sehatra samihafa toy ny kolontsaina, ny sosialy, ny toekarena na koa ny politika. Maneho hevitra momba azy io ny mpampianatra mpikaroka Jean Jacques Rakotoarison.

 

Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fahitanao ny famolavolana ilay rafi-panabeazana vaovao ?

Jean Jacques Rakotoarison (JJR) : Tsara ny manarina na manavao ny fanabeazana fa misy ireo fepetra takiana amin’ny fanatanterahana izany toy ny fanajana ireo andininy faha-23, 24 ary 25 ao anatin’ny lalàmpanorenana mandrara ny fanilikilihana. Tsy fotoanan’ny fanapahan-kevitra samirery intsony anefa izao. Nisy tokoa ny atrikasam-paritra saingy ankamehana satria voabaikon’ny famatsiambola ny fanjakana. Nanana telo taona rahateo ny mpitondra nanangonan-kevitra teny anivon’ny fokontany sy ireo rafitra ifotony misahana ny fampianarana mikasika ny fanabeazana ho fampandrosoana ny fiarahamonina eto Madagasikara.

 

TT : Inona ary no vokatra andrasana amin’io teti-pivoarana momba ny fanabeazana io ?

JJR : Tsy hampivoatra kalitao ary tsy hitondra mankany amin’ny fampandrosoana isam-paritra sy ny firenena velively ny PSE. Fahadisoan-kevitra lehibe ao anatin’ity drafitra vaovao ity ny fanomezana vahana ny sekolim-panjakana sy fanafoanana tsikelikely ny fampianarana tsy miankina.

 

TT : Ny hevitrao amin’ilay fanalavana ho 9 taona ny rafi-panabeazana fototra ?

JJR : Olana hatramin’izay ny tsy fisian’ny fiaraha-midinika ahafahana manana endrika fanabeazana mahomby isam-paritra. Efa manahirana antsika hatramin’izao, ohatra, ny fampiharana ilay rafi-panabeazana 7 taona hita ao anatin’ny lalàmpanorenana Malagasy ankehitriny manoloana ireo Sekoly Fanabeazana Fototra miisa 20.000 eto Madagasikara.

 

TT : Ahoana indray ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ?

JJR : Tsy misy antony hanafoanana ny CEPE raha ara-pedagojika. Lasa very zo tsy hahafantatra akory ny tomban’ezaka vitan’ny zanany amin’ny alalan’io fanadinam-panjakana voalohany io mantsy ny ray aman-dreny. Ratsy rahateo hatreto ny voka-panadinana CEPE sy BEPC eto Madagasikara.

 

TT : Voakitika ihany koa ny tetiandrom-panabeazana ?

JJR : Efa nanadihady niaraka tamin’ny andrana momba io ny URP na ny mpandrafitra ny fandaharam-pianarana. Nisongadina tamin’izany ny tsy fitovian’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Iaraha-mahalala fa sahirana tsy manam-bola ny ray aman-dreny aorian’ny volana martsa fivoahana amin’ny maitso ahitra.

 

TT : Inona ary no soso-kevitra avy any aminao ?

JJR : Misy akony foana amin’ny fiainan’ny taranaka ny fanapahan-kevitra mandeha ila. Tsy maintsy hotsarain’ny tantara rahateo ireo tompony sy mpanapa-kevitra toy ny fanafoanana ny taranja jeografia ao amin’ny kilasy faha-8 ao anatin’ny PSE. Vahaolana mifanaraka amin’ny fampiharana io teti-pivoarana momba ny seha-panabeazana io ny fanafoanan’ny mpitondra ireo sekoly vahiny rehetra misy eto Madagasikara. Mandranto fianarana mitovy manaraka ity fanavaozana ny drafi-panabeazana novolavolain’ny fanjakana ity avokoa mantsy amin’izay ny zanaky ny Malagasy manomboka amin’ny mpitondra hatramin’ny vahoaka.

 

Nangonin-dRamano F.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT