Tolona hitakiana ny rariny sy ny ara-dalŕna no ijoroan’ny ao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka sy ireo kianja hafa ary dia olona vonona amin’izany hatramin’ny farany ireo tonga eny isan’andro.
Niantso ireo mpanara-dia azy haneho firaisankina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nambaran’ity farany fa mbola malahelo ny vadiny, Rtoa Lalao Ravalomanana manoloana ny tsy famelana azy hody eto an-tanindrazana hikarakara ny reniny izay marary mafy. Nambarany fa tsy nangina manoloana iny toe-javatra iny ny Troikan’ny SADC ka hanao izay azo atao hampodiana an’i Lalao Ravalomanana eto Madagasikara. Fantatra moa fa misy fivorian’ny Troika manokana momba izany tontosaina ao Afrika Atsimo hatramin’ny sabotsy teo ka ny filoha tanzanianina no mitarika izany. “Manao izay azoko atao aho fa aza matahotra ianareo. Hitanareo eo ny valiny. Kely sisa”, hoy ihany i Marc Ravalomanana tamin’ny antso an-tariby tetsy amin’ny Magro ny sabotsy teo.
Miantso firaisankina
Ankoatra izay dia nasiany teny ny momba ny traboina any Atsimo. Ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fanamboarana no nahatonga todra-drano. Raha tsy miray hina isika, hoy izy dia tsy hanampy ny any ivelany. Diso izay mihevitra fa tsy ilaina ny fanampiana avy any ivelany kanefa 80% mahery amin’ny teti-bola ampaisiana dia avy any ivelany avokoa. Etsy andanin’izany dia nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy hoe ela dia hiatrika fifidianana ny Malagasy. Mbola niantso ny hisian’ny firaisankina tanteraka hatrany ny tenany hiatrehana izany. “Hatramin’izao dia tsy misy olona afaka manolo-tena ho kandida raha tsy tafaverina aho”, hoy ihany i Marc Ravalomanana izay nanamafy fa “rehefa tsy eken’ny rehetra ny fifidianana eo, indrindra fa tsy eken’ny Malagasy, ny ankolafy Ravalomanana dia tsy hanan-kery”, hoy ihany izy. “Rehefa tsy avelanreo mody izahay dia tsy hanolotra kandida amin’ny fifidianana”, hoy ihany i Marc Ravalomanana. Nambarany fa mijery an’i Madagasikara izao tontolo izao, ary tsy maintsy tanterahina ny sori-dalana. Tsy maintsy ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena no jerena fa tsy ny an’ny olo-tokana, hoy izy. Nambarany ihany koa fa tokony hanana fanantenana, toky ny rehetra fa tsy maintsy miverina amin’ny laoniny i Madagasikara.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.