Politique

Fampodiana an’i Dada Hihamafy ny hetsik’i Magro


  • Talata 17 Aprily 2012

Santatra ihany ny nidinan’ireo mpitolona mitaky ny hamerenana ny ara-dalŕna teny Ivandry, namonjy ny biraon’ny SADC, omaly, araka ny fanazavana avy amin’ireo mpitarika ny hetsika.

 Tokana ny tanjona, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno dia ny hanafainganana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. “Aoka izay ny fisalasalana fa mitombina ary azo tanterahina tsara ny hahatongavan’ny filoha eto”, hoy izy tamin’ireo mpiara-dia aminy etsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

Ny 99%-n’ny Malagasy, hoy ny Maitre Rasamimaka Mahefalahy, izay mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, dia mikaikaika noho ny fahasahiranana ka mila fandraisana andraikitra. Adidy izay mety ho henjankenjana sy hihatra aman’aina izay famerenana ny maha tany tan-dalàna sy ny filoha Ravalomanana izany, hoy kosa ny mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri, kanefa tsy maintsy resena satria fahavalon’ny fihavanana Malagasy ny fikasana hamerina indray ny fanjanahantany. Raha ny fanazavana ihany dia etsy amin’ny kianjan’ny Magro no hakana sy hahazoana ny toromarika rehetra amin’ny dingana manaraka.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT