Nifoha indray ny raharaha fampodiana an’i Marc Ravalomanana raha toa ka natoritory teo aloha teo. Taorian’ny fanambaran’ny mpiandraiki-draharaha Amerikanina ny 3 jolay sy ny an’ny GIS M ny 8 jolay lasa teo no nahatonga izany.........
Samy mitaky ny hampiharana manontolo ny tondrozotra izy ireo ary nanindry manokana ny fampodiana ireo sesitany politika anisan’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Namaly bontana avy hatrany taorian’io ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Razafitrimo Lala Arisoa ary nilaza fa tsy maintsy hajaina ny lalàna ary tsy misy olona ambonin’ny lalàna izany. Misy ny fifanarahana ara-diplaomatika tsy maintsy mbola jerena, hoy izy. Taorian’izay, omaly dia nilaza koa ny minisitry ny fitsarana Ramanantenasoa Noëline fa mbola manankery daholo ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny fitondrana tetezamita momba an’Atoa Marc Ravalomanana fa tsy nisy nofoanana. Izany hoe vantany vao tonga eto ity filoha teo aloha ity dia samborina ary ampidirina am-ponja. Afaka mampiakatra ny raharaha anefa ireo mpisolovava azy izay midika avy hatrany fa miantona aloha ny didim-pitsarana.
Foronina avokoa izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao
Etsy an-kilan’izay, raha nanontanian’ny mpanao gazety i Maitre Hanitra Razafimanantsoa, anisan’ny mpisolovava an’Atoa Marc Ravalomanana dia nanitrikitrika fa tsy mbola fanamelohana raikitra no nihatra tamin’Atoa Ravalomanana, tsy araka ny tokony ho izy no nitsarana ny raharaha fa natao maimaika fotsiny. Tsy mitombina noho izany ilay fiampangana, hoy izy ka aleo tsy hirahiraina intsony satria tahaka ny tsy misy ihany. Ny mpomba azy dia manitrikitrika fa tsy milamina ny toe-draharaha politika eto raha tsy tafody i Dada Ravalo, dingana tsy maintsy arahana amin’ny fandaminana ny krizy ny fampodiana azy, hoy izy ireo. Ity filoha teo aloha ity tamin’ny fanehoan-keviny farany dia nilaza fa efa tena te hody an-tanindrazana izy, ho avy hanampy amin’ny fanarenana ny firenena fa tsy hanakorontana sanatria ary manohana izao fitondrana mijoro izao ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy. Tsy mora noho izany ity raharaha ity fa misy zavatra aro lafy mifandringotra ao anatiny, ny azo antoka kosa anefa dia ny voalazan’ny tondrozotra hoe : avela mody tsy misy fepetra ireo sesitany politika ka anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana, nanamafy afak’omaly ny sehatra iraisam-pirenena hoe tanteraho izay nambaran’ny tondrozotra. Tsy efa tena mazava be ve izany ? Mety ny mpitondra ankehitriny mihitsy angamba no tsy mazoto dia foronina avokoa izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao. Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety etsy amin’ny foiben-toerany etsy Bel’Air ny Tiako I Madagasikara anio. Inoana fa hisy ny fanambarana hataon’ity antoko noforonin’i Marc Ravalomanana ity mikasika ny fodiany an-tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.