Tsy mitovy hevitra amin’ny fomba hamondronana indray ny antoko Tiako i Madagasikara ireo lohandohan’ny mpisorona ao aminy ankehitriny.....
Nanizingizina ry Razoharimihaja Solofo Nantenaina sy Mamy Rakotoarivelo ny zoma teo fa tokana ny TIM ary tsy misy intsony izany resaka fampivondronana izany fa izay mahatsapa ny tenany ho nania dia afaka miverina ao am-bala avokoa rehefa manaraka ny fepetra samihafa takian’ny fotokevi-dehiben’ny antoko. Nilaza indray anefa ry Rajemison Rakotomaharo, Raharinaivo Andrianatoandro, Emile Ratefinanahary, Hilarion, Hery Raharisaina, Mahafaritsy Samuel sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo fa alalana avy amin’ny fitsanganan’ny Komity fampivondronana ny TIM no nahazoana ny taratasy fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny atitany. Ny isavorovoroan-kilantoana nefa manahy ny mpitolona sao dia misy tetika fanakanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tsy hiverina an-tanindrazana no ao ambadik’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.