Politique

Fampivondronana ny mpanohitra Mbola ezaka be


  • Sabotsy 21 Jona 2014

Ny mpanohitra miray saina sy miray hina no antoky ny fampandrosoana ny firenena.

 Io no nambaran’i  Pasitera Edouard Tsarahame, tamin’ny fanokafan’ny Fihaonamben’ny mpanohitra tontosaina mandritra ny roa andro ary nanomboka omaly zoma etsy amin’ny “Mon Gouter” Andrefan’Ambohijanahary. Mpanohitra manana ny maha izy azy tsy baikoin’ny fitondrana mijoro, sahy manakiana ny tsy mety ataon’ny mpitondra, ny tsy rariny, ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanararaotam-pahefana ary ny tsy mety rehetra ataon-dry zareo, hoy izy. Ny antsika dia foto-kevitra aloha vao mijery olona ka tsy mahamaika izany toerana izany na dia efa nomanin’ny fitondrana sy efa voasoratra anaty lalàmpanorenana aza. Mila mafy orina ny foto-kevitra hijoroan’izay fanoherana izany. Ilaina ary tena fotoanany izao, mety efa tara loatra aza, ny fampivondronana ny herin’ny mpanohitra, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana. Nanasa an’ireo namana sasany efa nitonona ho mpanohitra sy nanendry filoha sahady izahay saingy tsy tonga izy ireo. Ka azo ambara fa tsy mbola tonga lafatra ity fihaonana ity fa mbola betsaka ny hatao. Marihina fa tsy namaly ny antson’ireto mpanohitra ireto koa ny mpitondra fanjakana sy ireo lehibena antoko maro nasaina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT