Tsara saingy tara loatra, hoy i Voninahitsy Jean Eugčne ny fanirian’i Pety Rakotoniaina hamondrona ireo mpanao politika nitolona tamin’ny 2009 izay nanaovany antso tamin’ny filohan’ny FAT ny alarobia lasa teo.
Efa hatry ny ela izany no tokony ho natao araka ny hevitr’i Voninahitsy saingy tsy azo tanterahana intsony ankehitriny satria efa be ny rano raraka tsy azo raofina. Notsoriny fa tsy azo itokisana intsony ny olon’Ambohitsorohitra izay mitady fifanatonana indray izao nefa ny namana sasany aza nailikilika sy nohenjehina mihitsy raha tsy hilaza afa-tsy i Alain Ramaroson. “Raha nanaraka ny hevitray i Andry Rajoelina dia tsy tonga amin’izao zava-misy izao ny toe-draharaha. Amin’ny fomba ahoana moa no hitokisanay fa tsy hivadika amin’ny fifanarahana izay kandida ifaneken’ny mpitolona tamin’ny 2009 raha lany soa aman-tsara ? Tsy azo itokisana ireo mpisolelaka ao Ambohitsorohitra ireo”, hoy hatrany ny filohan’ny Les AS. Nokianiny koa ny fanasoketana ny Praiminisitra Beriziky amin’ilay aferana “bois de rose” tany Antalaha lazaina fa saron’ny DST (Direction de Surveillance du Territoire). Ho an’i Voninahitsy dia «dosie foronina io» fa raha manana ny porofo mahameloka an’i Omer Beriziky dia tokony haneho izany. Mahagaga hoy izy ny tsy mampisy resaka mihitsy ny fanenjehana ireo tomponandraikitra tamin’ireny raharaha «bois de rose» nahoraka be teo aloha ireny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.