Tontosaina ao Antsirabe mandritra ny roa andro ny atrikasa nasionaly ho fandaniana ny paikadim-pirenena mikasika ny fanangonana sy fanampariahana ny antontan-kevitra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fandinihana mialoha ny amin’ny fahafahana manangana ireo ivontoeram-pampiofanana ara-teknika ireo mpanjono.
Ny hotely Diamant Antsirabe no nandray izany. Tompon’andraikitra ambony maro avy amin’ny faritra no niatrika ny hetsika, izay notarihin’ny minisitry ny harena anaty rano sy ny jono, Gilbert François. Tsy maintsy ilaina ny fananganana ny ivontoeram-piofanana ho an’ny fiompiana trondro mba ahafahana mampiakatra ny vokatry ny harena anaty rano, hoy ny minisitra. Tsy ho ela dia mety hitombo avo roa heny ny isan’ny mponina ka tsy ho ampy ny vokatr’io harena anaty rano io, mba tsy hijanona fotsiny amin’ny fiompiana netim-paharazana ny mpanjono. Anisan’ny hahazo tombony amin’ity fandaharan’asa ity moa ny faritra vakinankaratra raha ny fantatra. Ankoatra ny faritra hafa, mahatratra 76 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hametrahana ity tetikasa ity manerana ny faritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.