Hiara-kiasa akaiky amin’ny fikambanan’ny skoto eto Madagasikara ny minisiteran’ny fizahantany, tarihin-dRatsiraka Roland manomboka izao ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.
Ny skoto mantsy amin’ny ankapobeny no manana ireo karazana fahalalana amina faritra iray noho izy ireo notezaina sy nobeazina hahalalana izany hatrany am-piandohana. Voafehiny ny ankamaroan’ireo fiainana amina faritra maro manerana ny Nosy toy ny fomba amam-panao, ny tantaran’ilay tanàna... Afaka mandray anjara tsara amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fizahantany ny skoto araka izany hoy ny filohany. Toraka izany koa ny tourism security na ilay antsoina hoe : andrimasom-pokonolona, skoto isam-piangonana izay afaka mitandro ny fahalemana tsara eo amin’ny faritra misy azy na ny tanana iray alehany. Ho azy ireo mantsy dia tsy ny fametrahana mpitandro ny filaminana isaky ny 100 metatra izay mety hampihemotra mpizahantany na hampatahotra ny olona no tanjona fa ny miainga amin’ny kolontsaina sy ny fahaiza-miaina hahafahana mandroso. Tontosa omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’izy ireo sy ny minisitera raha toraka izany koa ireo tanora advantista. Mbola hitohy amin’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’izy ireo izany amin’io herinandro ambony io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.