Politique

Fampihavanana sy fifidianana Nihaona tamin-dRavalomanana ny CFM


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Nihaona tamin’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny mpikatroka maromaro avy amin’ny antoko TIM, izay nahitana ny “Jeune TIM” sy ny parlemantera TIM teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ny delegasionina avy amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM, notarihin’ny filohany Maka Alphonse omaly tolakandro.

  Naharitra adiny iray sy sasany teo ny fihaonana, ka teboka roa lehibe no nodinihina. Voalohany ny fomba fijerin’i Marc Ravalomanana ny CFM, izay nanomezany toky fa io no rafitra tokony hitondra ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara ary io irery ihany. Nandrisika ny CFM mba hanao tsara ny iraka hampanaovina azy ny Filoha teo aloha. Mila tandrovina ny fahaleovantena fa izay ny antoka lehibe hampahomby ny fampihavanam-pirenena, raha ny voalazany. Teboka faharoa ny mikasika ny hetsiky ny CFM, indrindra eo amin’ny tontolon’ny fifidianana. Nampahafantarin’i Marc Ravalomanana ny antsojay nahazo azy, indrindra tamin’ny diany tany amin’ny faritra. Nisy mihitsy ny boky manazava izany natolotra ny CFM. Naneho ny alahelony momba ny fanenjehana azy i Marc Ravalomanana, ary efa nampitainy tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa. Noho ny fandalana ny fihavanana no anton’ny fitarainany satria lasa mampiady ny samy Malagasy. Nivoitra ny tokony hitandroana ny filaminan’ny fifidianana mba tsy hisy krizy hampiady ny samy Malagasy, ary hamotika ny firenena. Ilaina hatrany ny fifampiresahana rehefa misy zavatra mitranga, ka ny CFM no tokony hanamora azy, raha ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana. Tokony hifampiresaka amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny CFM manoloana ny zava-misy. Momba ny ahiahy fa miandany amin’ny mpitondra ny CFM, dia nambarany fa tsy marina. Tianay hitsiana arahina porofo raha misy ny zavatra tsy mazava satria ny ahiahy tsy hihavanana, hoy ny Filohan’ny CFM Maka Alphonse.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT