Tsy ho tanteraka ny fampihavanam-pirenena sy ny fanorenana ifotony raha tsy misy mpitarika, hoy ny fehin-kevitry ny Vondron’olona sy fikambanana mivoy ny fampihavanana sy fanorenana ifotony ny firenena tarihan’Atoa Rakotomavo José izay nivory in-droa miantoana tetsy amin’ny Bucas Antanimena ny 30 mey sy 17 jona lasa teo.
Resy lahatra ny mpivory tamin’ny fihaonana natao fa ny Raiamandreny am-panahy sy ireo Raiamandreny to teny ara-drazana miampy ireo mpitondra teo aloha sy ny ankehitriny no tokony hifarimbona hanatanteraka izany. Nihaona tamin’ny Filohan’ny FFKM sy ny birao foibeny teny Andohalo ny solontenan-dry zareo, araka izany, tamin’ny herinandro lasa teo, nanolotra ny fehin-kevitra vokatr’ireo asa natao niaraka tamin’ny sendika isan-tsokajiny sy ireo fiarahamonina sivily ary olon-tsotra koa. Nampahafantarina nandritra ny fihaonana ny fanirian’ny mpizaika ny hanohizan’ny FFKM ny asa efa natombony. Mamaly ny hetahetan-dry zareo mantsy ny 4F novoizin’ny FFKM tamin’ny hafatra pentekosta nataony mifototra amin’ny fiaiken-keloka, fifamelana, fahamarinana sy fihavanana. Nomarihan’ity vondrona ity fa ny FSM na ny Firaisamben’ny Silamo Malagasy indray no hihaona amin-dry zareo aoriana kely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.