Politique

Fampihavanana sy fandaminana Inona no antoka omen’ny FFM ?


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Hihemotra ihany ve sa tsy hihemotra ny fifidianana, ary raha mihemotra dia rahoviana ny daty manaraka ?

 Izay indray izao no adihevitra etsy sy eroa, ny CENI-T miaraka amin’ny Firenena Mikambana irery ihany no afaka mamaly io fanontaniana io. Manjavozavo ny fomba firesaky ny Dr Leonardo Simao, iraky ny SADC momba azy io, sady milaza izy fa hoe tsy ahemotra intsony ny fifidianana fa tokony hohajaina ny tetiandro efa napetraka, no miteny koa fa raha misy fampihemorana ny fifidianana dia anjaran’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana no mandinika izany. Mizara koa ny hevitr’ireo kandida amin’ity resaka ity, ireo kandida manampahefana efa nametra-pialana, dia mazava fa manaiky ny datin’ny 24 jolay ary mihevitra fa tsy hahemotra intsony ny fifidianana. Ny filohan’ny tetezamita sy ny mpiara-dia aminy kosa dia mangataka fanemorana iray volana ny datim-pifidianana, araka ilay soso-kevitry ny FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy. Raha ny fomba firesany hatramin’izay kosa dia tsy mankasitraka io fampihemorana indray ny datim-pifidianana io ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice, ka izay no mahatonga azy mitety ny vazantany mba handresy lahatra ny mpiara-miombon’antoka tsy hanapaka ny famatsiam-bola, hanaiky ireo kandida 41 ary hanampy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 24 jolay.

Tsy fantatra anefa izay tena vokatry ny diany tany ivelany tany, ary miandry ny maro : hitondra vaovao tsara ve ny filohan’ny CENI-T sa hanampy trotraka ny fahasahiranana ? Hatreto aloha dia tsy tena nisy zavatra azo atao ho nivaingana ny fihaonan’ny iraky ny SADC tamin’ireo vondrona politika sy rafitra ary tompon’andraikitra anatin’ny tetezamita. Mihaino fotsiny ny Dr Simao, handeha hody avy eo dia hanao tatitra amin’ny lehibeny, dia miandry indray ny fivorian’ny Troika-n’ny SADC na ny fivorian’ireo filoham-panjakana mihitsy, izay vao hivoaka indray ny  fehin-kevitra ; efa niaraha-nahita ihany anefa ny fehin-kevitra navoaka hatrizay fa tsy dia nanova zavatra goavana teto akory, fa dia io mitatra io ny krizy. Ka raha ahemotra iray volana ny fifidianana, dia inona no zavatra miova miha tsara mihoatra amin’ny zava-misy amin’izao fotoana ? Sa ve kajy politika mba hanaovana zavatra hafa no mahadodona ny sasany hangataka io fampihemorana iray volana io ? Tena resy lahatra ve ny FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy fa hahavita fahagagana hampihavana ny mpanao politika sy ny Malagasy ao anatin’ny iray volana, sa rehefa tapitra io fe-potoana io dia mbola hitarina indray.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT