Politique

Fampihavanana ny mpanao politika Fandaniam-potoana fotsiny, hoy i Dany Rakotoson


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Mbola misy 4 taona vao hifarana ny taom-piasan’ilay komitin’ny fampihavanana Malagasy na ny CFM.

 

 Ity rafitra ity moa dia nilaza fa amin’ny lafiny rehetra io fampihavanana tokony hatao io fa tsy politika ihany. Mikasika izay indrindra dia nilaza ny filoha mpanorina ny antoko politika ABA na antokom-bahoaka Malagasy, Dany Rakotoson fa fandaniam-potoana izany fampihavanana ny mpanao politika izany. Ny politika, hoy izy, dia natao hamoahana stratejia hampandrosoana ny firenena amin’ny lafiny rehetra na sosialy na toekarena na hafa. Tsy simba ny fihavanana fa nianatra niaina foana isika Malagasy hatramin’izay. Isaky ny misy hevitra tsy mitovy ve dia hampihavana foana nefa lojika amin’ny politika izany hevitra tsy mitovy izany ? Vola tokony holaniana hanaovana fotodrafitrasa, hoy hatrany ny tenany, na zavatra hafa mahasoa ny firenena dia ho lany amin’izany resaka izany fotsiny kanefa tsy misy vokatsoa azo tsapain-tanana ho an’ny daholobe akory avy eo. Hevitra foana no niady teto fa misy olona te hahazo famatsiam-bola fotsiny dia mamorona ity hevitra hihetsiketsehana rehetra ity, hoy hatrany ny fanazavany, na ilay antsoina hoe “activisme”.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT