Politique

Fampihavanana Mifanipa-kevitra ny mpanao politika


  • Talata 16 Aprily 2013

Samy manana ny heviny momba ny fampihavanana sy ny fomba fanatanterahana izany ny mpanao politika.

 Ny pastera Andriamanjato Richard dia milaza fa mitaky fandinihana ny tantaram-pirenena ny firesahana ny fihavanana. “Raha manaiky ny Malagasy fa iray ihany dia mora kokoa ny mampifanakaiky azy”, hoy izy. Mihevitra koa izy fa tsy mijanona ho fanambarana fotsiny izany fihavanana sy fampihavanana izany fa mila fifamelana, fifandeferana ary fifanatonana amin’ny maha Kristianina. Ho an’ny kandida filoham-pirenena ramatoa Sarah Georget Rabeharisoa indray dia tsy misy ilana izany fampihavanana hotarihan’ny FFKM manomboka amin’ny alakamisy izao izany raha vao tsy mirona makany amin’ny fifidianana ny vahaolana aroso ao anatin’ilay fivoriana maharitra hateloana.

Mankato tanteraka ny fampihavanana kosa Radavidson Andriamparany izay kandida filoham-pirenena koa, atolotry ny FFF saingy tsy mbola nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Aminy dia mifameno ny fampihavanana sahanin’ny FFM izay mifantoka amin’ny resaka politika sy ilay hotanterahan’ny FFKM izay miompana kosa amin’ny lafiny ara-panahy. Omaly tontolo andro, teny Vohipiraisana, ny fandoavana ny saram-pandraisana anjara 3 hetsy Ariary isaky ny vondrona politika, izay hanana solontena telo isanisany avy, amin’ilay fampihaonana hataon’ny FFKM eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 18 aprily io.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT