Politique

Fampihavanana, fifidianana Miandry an’i Dada


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Voaporofo indray izao fa tsy azo ihodivirana i Marc Ravalomanana ! Tsy nisy fiovana firy tamin’ny vaovao efa nivoaka sy ny feo re tetsy sy teroa, ny fehin-kevitra navoakan’ny mpizaika, nandritra ilay dinika nokarakarain’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato izay nifarana omaly hariva fa dia voarakitra tao ny tokony hananganana tetezamita vaovao, ny handrafetana tondrozotra vaovao.

 Notakian’ny mpizaika ihany koa ny fandravana ny governemanta misy ankehitriny sy ny fametrahana Praiminisitra tena manampahefana fa tsy praiminisitra tsangan’olona fotsiny tahaka ny misy amin’izao fotoana. Hita tao anatin’ilay fehin-kevitra nivoaka omaly ihany koa ny fitakiana ny hanemorana ny datim-pifidianana, arahina fananganana Antenimieram-panorenana (Assemblée Constituante) ary raha hisy ihany ny fifidianana dia tokony ho fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana aloha no atao mialoha, raha ny hevitry ny mpizaika izay vao miroso amin’ny fifidianana hafa. Mba hampilamina ny famahana ny krizy sy ny fiainam-pirenena ihany koa dia tsy tokony hiditra na haneho hevitra na hijabaka amin’ny resaka politika ny foloalindahy ary tokony hampiharina ny tena fahaleovantenan’ny fitsarana. Ilaina koa ny fananganana ny «Haute Cour de Justice» raha ny hevitr’ireo mpandray anjara nandritra ity diniky ny samy malagasy nokarakarain’ny FFKM ity.

Fa momba ireo filoham-pirenena teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita kosa dia tokony hisy ny fivoriana hampihavanana azy efa-tonta ireo, ary eto Madagasikara no hanatanterahana azy, raha ny hevitry ny mpizaika ihany, izany hoe ilaina ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara mba hahafahany mandray anjara mivantana amin’izany fivoriana izany. Dingana tsy maintsy andalovana izany mba hisian’ny tena fiaiken-keloka sy fifamelana goavana eo amin’ny rehetra, raha ny hevitra nivoaka teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ary apetraka amin’ny toeram-boninahitra ireo filoha teo aloha rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny filohan’ny tetezamita, fepetra manokana izay toa midika avy hatrany fa mijanona ho raiamandreny fakan-kevitra amin’izay izy ireo fa tsy milatsaka hofidiana intsony. Voaresaka teny Ivato koa ny maha zava-dehibe ny fanajana ny zon’olombelona, ny famoahana ireo gadra politika, ny famohana ireo haino aman-jery nakatona, ny fitsinjovana ny harem-pirenena, fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena.

Mazava izany ny resaka eto fa dia «départ zéro» ary miainga amin’ny fototra vaovao famahana ny krizy, ary makamaka sisiny aloha ny sehatra iraisam-pirenena fa horaisin’ny samy Gasy ny raharaha. Nanamafy izany ny Mgr Razanakolona Odon aza tao amin’ny kabary famaranana fa dia «vitatsika Malagasy ny manarina sy mandray an-tanana ny hoavintsika». Ravana ny tetezamita, ahemotra ny datim-pifidianana, tsy manankery intsony ny tondrozotra fa tokony hosoloina tondrozotra vaovao, mivoaka ny gadra politika ary mody eto Madagasikara i Dada. Ny sabotsy hariva teo dia nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foloalindahy ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy avy ao amin’ny FFKM, ka votoatin-dresaka nandritra ny fihaonana ny handraisan’ny foloalindahy andraikitra mba hahatontosa ny fehin-kevitra rehetra mivoaka avy amin’ilay diniky ny FFKM. Etsy ankilan’izay ny SADC, raha mihaino ny tenin’i Joaquim Chissano omaly, nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, dia mitsipaka ny hampihemorana ny datim-pifidianana sy ny hialana amin’ny tondrozotra. Omaly dia miely ihany koa feo fa misy mikononkonona hanangana fitondrana miaramila. Andrasana araka izany ny ho tohin’ny tantara manomboka eto.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT