Politique

Fampihavanana “Atombohy eny ifotony”, hoy Razafindrakoto Vonitatamo


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Tsy ireo mpanao pôlitika ihany no tokony hampihavanina ho an’i Razafindrakoto Vonitatamo, mpandinika fiarahamonina sady mpanolotsaina amin’ny fifandraisana… fa ny Malagasy rehetra mihitsy mba hiravonan’ny olana misy eto amin’ny firenena.

 Amin’ny alalan’ny fanombohana ny fifidianana eny ifotony hoy izy no tokony hanatanterahana izany izay miainga amin’ny fanoloran’ny Fokonolona ny sefony ho lasa sefom-pokontany, ity farany indray no mampandray anjara ny Fokonolona amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay miampita amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ireto farany indray aorian’izany no mamolavola ny lalàna mba ho lasa lalampanorenana ka rehefa voafidy izany izay vao mifidy filoham-pirenena. Tsy ela izany, hoy Razafindrakoto Vonitatamo no sady tsy andaniana volabe ihany koa fa tsotra sady mora no sady mampiray fo sy fanahy ny mpiray vodirindrina. Mikasika ny fihemoran’ny fifidianana iray volana kosa indray dia nanambara ity mpandinika fiarahamonina ity fa mety izany. Ny olana anefa hoy izy dia mety hijanona ho iray volana ve izany fihemorana izany sa hiampy telo volana indray ? Efa mijaly loatra mantsy ny vahoaka Malagasy raha toa ka mbola hiitatra efa-bolana indray ny kenonkenona samihafa vao ho raikitra ny fifidianana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT