Ny sabotsy 19 aogositra izao ao Nosy Varika no hanatanterahana ny antsoina hoe fampihavanana ara-drazana.
Araka ny fampitam-baovao dia miisa 8000 ireo fanasana efa naparitaka mikasika azy ity ary hisy vahiny miisa 26 ao anatiny. Ao anatin’ireo nasaina moa, raha ny fanazavana, ireo tompon’andraiki-panjakana. Andriana, Sojabe, Tangalamena, Hazomanga sy izay rehetra mety ho olobe mpitana ny fomban-drazana no hitarika izany. Nanafatra ireo olobe namany kosa ny fikambanan’ireo Tangalamena mba tsy hanaiky ho ataon’ny mpanao politika fitaovana intsony amin’izao akatoky ny fifidianana izao. Raha misy kandida ho filoham-pirenena mangata-tso-drano aminareo, hoy ny solontenan’izy ireo dia rano anaty dobo omena azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.