Politique

Fampihavanan’ny FFKM Niandry ny filoha Ravalomanana ireo mpizaika


  • Zoma 19 Aprily 2013

Rehefa nahasahy nanao iny fivoriambe fampihavanam-pirenena iny ihany ny FFKM amin'ny maha Raiamandreny am-panahy azy ireo dia tokony ho sahy nandray andraikitra ihany koa ny amin'ny tsy maintsy hahatongavan'ireo mpandray anjara fototra rehetra toy ny filoha Marc Ravalomanana nanatrika izany

 Ireo amin'ny ankapobeny no fanehoan-kevitra nataon'ireo mpanao politika tonga nandray anjara tamin'iny dinika niarahana tamin'ny FFKM teny amin'ny CCI Ivato omaly iny. Banga ny fampihavanana nataon'ny FFKM, hoy ihany izy ireo satria ny Malagasy rehetra no tokony hampihavanina fa tsy ny vitsy an'isa ihany. Ho an'ny Princesse Yasmine, solombavambahoaka teo aloha dia nambarany fa tsy nisy naharatsy ity fivoriana ity mihitsy raha teo ny filoha Marc Ravalomanana. Fampihavanana mantsy no tena nohirahiraina tao anatin'izany, hoy izy, izay tena mampiavaka antsika Malagasy tokoa.

Ny filoha Marc Ravalomanana hoy ihany izy dia Malagasy ary manan-jo feno ny handray anjara amin'izany. Tafiditra ao anatin'io fampihavanana io ny fifamelana izay tokony hatao dieny mbola velona fa tsy hiandry rehefa maty vao hifamela. Ho an-dRasambozafy Cyrille indray dia nambarany fa nandringa ihany ny hetsika nokarakarain'ny FFKM. Ankoatra ny tsy fahafahan'ny filoha Marc Ravalomanana nandray anjara tamin'izany mantsy dia nambarany ihany koa fa tena tratry ny krizy ny ankamaroan'ny maro ka tsy nanana fahafahana nandoa ilay lelavola 300.000 Ar tamin'ny FFKM na dia tokony handray anjara mavitrika aza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT