Na ny vahiny nipetraka ela teto na ny teratany ihany koa dia samy tokony hojerena avokoa ao anatin’ny fampihavanam-pirenena raha ny hevitry ny minisitry ny asa vaventy teo aloha Tabera Randriamanantsoa teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny sabotsy teo.
Fananganana ny firenena no tokony ho tanjona ao anatin’izany fa tsy hampifanarahana olom-bitsy akory, hoy izy. Ny volavolan-dalàna izay natao anefa dia toa mikendry ny hamelezana ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina. Tokony ho ny filoha Zafy Albert no tokony hitarika ny fampihavanam-pirenena satria izy no namorona an’io ary efa neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho very maina ny fampihavanana hafa izay atao eto raha toa ka tsy ny profesora Zafy Albert no mitarika sy manendry
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.