Mahamenatra ny afitsoky ny fahitalavi-pirenena (TVM) amin’izao fotoana izao.
Toa tsy mipetraka amin’ny maha fahitalavi-pirenena azy intsony fa fahitalavi-pitondrana no azo hanasokajiana azy, raha ny resaka voizina ao anatiny amin’izao fotoana. Zary lasa fitaovana politika hoenti-manaratsy ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana sy ny antoko HVM. Fanabeazana sy fampihavanana no tokony hovoizana, isika rahateo efa an-dàlana ho amin’izany, raha tsy mitsefotra indray. Fandranitana sy fanaratsiana bambaray anefa no ataon’ny TVM, raha jerena amin’ny fanalam-baraka sy ny filazana vaovao tsy marina mahakasika ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Fanelezana tsaho sy fanaratsiana tsotr’izao no voizina sy hampitaina ho an’ny vahoaka Malagasy fa tsy mba fandrindram-piarahamonina, kanefa ny TVM no tokony ho fitaratra voalohany. Tsy manan-tsafidy tokoa ve ny tompon’andraikitra ao anatin’ny fahitalavi-pirenena, izay tokony ho reharehan’ny Malagasy ? Sa tsy maintsy manaiky izay baikon’ny mpitondra ? Mena ambanin’ny mena tokoa angamba na ny vola no mikaonty, ka na efa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina tokony harahina aza, dia dikaina tsotra izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.