Famaizana mandrava ny fihavanana no ambadiky ny lalŕna, hoy ny minisitra teo aloha, Roger Marie Rafanomezantsoa, izay nanangana ny fikambanana Rarivato.
Ity fikambanana ity moa, araka ny fanazavany, dia miasa mangina ary fototra nananganana azy ny hametraka izay fihavanana izay mba hisian’ny tena fampandrosoana marina. Ny fihavanana dia efa mikoriana ao anatintsika ary mandeha ho azy, hoy ny tenany, rehefa tsy hidiran’ny lalàna io resaka fihavanana io. Toy ny mpihavana iray ra ihany io, hoy ny tenany, mety misy ny disadisa fa avy eo miravona ihany. Noho izany, na misy lalàna na tsy misy dia ny finiavana no zava-dehibe mila hampanjakana raha tena tiana tokoa ny hihavana, hoy ny namaranany azy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.