Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy mahomby noho ny politikan’ny ady seza…


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Olana polika no antony tsy mampahomby ny fampihavanam-pirenena, araka ny fakan-kevitra tamin’ny mpitandrina Roger Randriamorasata. Ny zava-nisy dia nampidirana ny politika politisianina: fitadiavan-tseza, fitadiavan-toerana, fanilihana ny hafa,… ilay fampihavanam-pirenena.

 

 Tsy tena manana ilay endrika hoe raiamandren’ny rehetra ilay mpampihavana, raha ny fanehoan-keviny. Ao anie be dia be na amin’izao fotoana izao aza ny olona voasaringotra tamin’ny raharaha 2002,  2009,… fa miditra ao amin’ny Filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM ) izy. Ny mpitondra fivavahana aloha tsy navela niditra ao, fa raha vao nankao, dia manao ilay antsoina hoe “disponibilité” na mamela ny asany aloha, ka asa kely mandalo ve, ohatra, no hanariany ny asany sy ny adidiny mety efa voasotra ho azy. Olana politika io, ary finiavana politika ihany koa ny mamaha azy hoe tena hanao ilay raharaha tokoa ve? Eo ihany koa ny foto-kevitra hoe tsy nisy tsy nanota teto na iray aza fa samy efa nanimba ny firenena daholo. Izay efa nanimba ny firenena dia mendrika ny hibebaka daholo, ary ny samy Malagasy dia samy mibebaka hoe izao nanao tsy nety taminao ary ianao nanao ny tsy nety tamiko, ka mifona aho, ka izaho mamela anao ary ianao mamela ahy avy eo isika manova zavatra vaovao. Tsy milaza izany fa hanao antoko tokana isika rehefa avy eo, fa miara-manao izay zavatra izay. Misy ny olona tafakatra eo amin’ny fitondrana, dia mitondra, ary izay tsy tonga eo dia manoro làlana sy manitsy na “manohitra” hoy ny fomba fiteny politika. Rehefa tonga indray ny mpanohitra, izay lasa mpitondra, dia mifamadika amin’izay, ka ny ratsy nataon’ny teo aloha dia ahitsin’ny ato aoriana mandrakariva. Ny antsika mantsy ratsy no hifaninana. Mikasika ny fifidianana, dia hatramin’izay korontana aorian’ny fifidianana no nisy, fa amin’ity kosa dia mety korontana mialoha mihitsy. Ny antony dia tsotra hoe tsy mangaraharaha ny fandrafetana ny lalàm-pifidianana, ary ahiana ny hisian’ny hala-bato goavana. Tsy tena mbola mazava fa lalaovina ny hoe: iza no havela hilatsaka, ary iza no tsy havela ? Ao anatin’ny fampihavanam-pirenena izany, dia tokony ho ainga vao ny atao hoe milatsaka izay te hilatsaka, ka eo ny vahoaka Malagasy no mifidy ny tiany, hoy ity mpitondra fivavahana ity. Rehefa tsy fidian’ny olona ianao dia mipetraka aloha, dia miresaka sy mitondra hevi-baovao indray amin’ny manaraka, ka raha tsara ny hevitra dia fidian’ny vahoaka indray, hoy izy.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT