Tsy mety ny hangina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (RDS), tarihin’ny filohany, Andrianirina Fetison Rakoto.
Nampiseho endrika fitiavan-tanindrazana hatrany hatreto ny vahoaka malagasy fa tsy nilavo lefona na dia teo aza ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana ary tsy fahasalamana mianjady aminy. Mitodika any amin’ny mpitondra kosa ankehitriny, hoy ny filohan’ny antoko, ny fanontaniana hoe efa mba nanome hasina ny vahoaka ve izy ? Aoka izay ny fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny malagasy ary manentana ny rehetra mba hanaraka ireo dingana tsy maintsy arahana. Anisany ny fanamarinana ny anarana ao anaty lisi-pifidianana, ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Tsara raha tontosa mialoha ny fifidianana ny fampihavanam-pirenena mba tsy hisian’ny romoromo sy hisian’ny fangaraharana. Aza manaiky ny fikitihana lalàna hiitaran’izao fitondrana izao kosa anefa, hoy ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.