Zo tsy azo tsinontsinoavina ny fidinana an-dalambe, indrindra, amin’izao firenena tsy mety miarina izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray, Gaby Vakiniadiana.
Aiza isika izao, hoy izy, raha oharina amin’ny japoney nefa firenena tsy nifanalavitra ihany teo aloha? Mba manana manam-pahaizana sy feno harena ihany fa mivarina an-kady sy miha mahantra hatrany satria lasan’ny tsy manam-panahy ny tombony rehetra. Maniry aho mba ho olo-marina amin’izay no hitondra eto satria ao anatin’ny 25 tapitrisa ve dia tsy mba hisy na dia iray aza ho izany? Isan’ny manahirana amin’izao fotoana, hoy izy, ity fampihavanana tsy mety tafapetraka ity ary iza ireo komity mpifantina izay handrafitra ilay vaovao raha tsy ny efa teo ihany? Sao dia isan’ireo tokony ho hampihavanina, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.